Ireo tambazotra sy ireo fomba fiasa eran-tany

Hatramin’ny taona 1989, ny AIC Madagascar dia efa mpikambana manana zo feno tanteraka tao anatin’ny fikambanana iraisam-pirenenan’ny mpihantra olona mahantra ao amin’ny AIC www.aic.international.org. Ny filoha voalohan’ny AIC teto Madagasikara dia I Rose de Lima Ramanankavana izay efa mpikambana tao amin’ny birao mpanantanteraka iraisam-pirenena sy tao amin’ny filan-kevi-pintantanana ary  filoha lefitrin’ny AIC tamin’ny taona 1994 ka hatramin’ny 2009 sady mpisolon-tena iraisam-pirenena hoan’i Afrika.Voafidy ho filoha iraisam-pirenena taminy taona 2020.

 

 

Amin’ny maha fianakavian’ny “Vicentienne www.famvin.org ny AIC Madagasikara dia  miara miasa akaiky miaraka amin’ireo  Moperan’ny Misiona ( CM ),ireo masera mpihantra olona mahantra(Vicentines), ireo kaonferansa “Vincentiennes” eo amin’ny sehetra eto an-toerana, nasionaly, ary iraisam-pirenena.

Ireo firenena kambana sy mpiara-miasa ary mpiray ombinantoka no mampikambana ny AIC eto Madagasikara amin’ireo fikambanana sy vondron’olona ao amin’ny AIC any Alemaina, Frantsa, Etazonia, Espagny, Italy.  Izy ireo no manampy anay mba ahafanay manantanteraka ireo tetik’asanay sy manatsara ny fifanakalozana ary  ny fifankazaohana mifamaly ara-kolo-tsaina.

Ny ONG Asmae ( www.asmae.org), la caritas sy maro hafa dia miara-miasa akaiky sy mandaitra. Ny AIC dia mazava ho azy fa miara-miasa amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny tetik’asa sasantsany toy ny fanaovana kopia nahaterahana ho an’ny ankizy avy amin’ny fianakaviana izay tena mahantra indrindra, fandaharana iray momban’ny fankatsarana ny sakafon’ireo zaza manomboka amin’ny 0 taona ka hatramin’ny 5 taona ao anatin’ny rafitrin’ny tanjona fampandrosoana arivo taona, asa fanentanana atao hoan’ireo Reny mampinono sy ireo vehivavy bevohoka, ary asam-panaovam- baksiny entina miady sy manohitra ny aretina azo avy amin’ny kaikitrin’ny moka.

 

 

Fampielezam-baovao sy fanambarana hoan’ny vahoaka

ireo zava-bita

Ny AIC Madagasikara dia nanaiky amin’ny alàlan’ireo fampielezam-baovao sy fanambarana hoan’ny vahoaka iro zava-bita  amin’ny maha Ray aman-dReny mandray andraikitra azy amin’ny fanoherana ny fanalan-jaza sy ny fametrahana an-toerana ireo tanjona hoan’ny fampandrosoana taona milenarianina

 

Sampan-draharaha iraisam-pirenena

Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny AIC Madagasikara dia mandray anjara amin’ireo fampisehoan’ny AIC  amin’ny alàlan’ny fijoroana ho vavolom-belona sy amin’ny fampisehoana ireo tetik’asa modely ao anatin’ny rafitrin’ny tanjona milenarianina. Eo anelanelan’izany rehetra izany i Ramatoa Ramanankavana dia nifampiresaka tamin’ny ONU nandritrin’ny kaonferansa tany Etazonia momban’ireo fikambanana tsy miankina tany New York, manoloana ny mpanolon-tsaina Eropeanina sy tamin’ny UNESCO tany Paris izay nitondrany ihany koa ireo fandraisana anjara voarakitra an-tsoratra.Eo amin’ny sehetra nasionaly ny AIC dia miara-miasa miaraka amin’ny PNUD, UNICEF, UNESCO sy ny FAO.

Izahay dia mampiasa ireo haino aman-jery sy ireo fomba fifandraisana vaovao rehetra entina hanairana ny sain’olona izay farany maro indrindra mikasika ny toe-draharaha amin’ny firenena sy ny amin’ny tetik’asanay. Izahay dia manaraka ny ohatran’i Saint Vicent,tamin’ny fotoan’androny izay nanoratra taratasy tsy latsakin’ny 30 000.