NEWS:

KERE : MOSARY ANY ATSIMON’I MADAGASKAR

I Madagasikara dia anisan’ iray amin’ireo Firenena dimy mahantra indrindra maneran’izao tontolo izao. Ny ankabeazan’ny mponina manerana ny Nosy dia mivelona anaty fahasahiranana sarotra. Ny tendrony atsimo indrindra dia mitoetra anatin’ny toe-pivelomana fanairana manokana, tsy noho ny antony  avy amin’ny Coronavirus ihany  izay nahatonga ireo olona maro be nanary ny asandreo, fa indrindra noho ny  hain-tany izay efa olana goavana nandritrin’ny taona maro.Ity faritra ity dia efa nirahonan’ny tsy fahampian-tsakafo hatram’izay nefa ity fisehoan-javatra hita maso ity dia vao maika niharatsy kokoa taona maromaro taty afara noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Efa roa taona lasa izay ity tapany Atsimon’i Madagasikara ity no efa tsy nisy orana ka na ny fambolen-tsakafo ara-pivelomana aza dia lasa sasatra, torak’izany ny biby fiompy , ireo osy na ondry ary ireo akoho amam-borona dia matin’ny hanoanana. Ny mponina ambanivohitra dia mihinana lavenoka sy madiro mba hanalefandreo ny hanoanandreo.Ireo ankizy manoka dia miaritra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny fandaharam-piahiana ara-tsafo napetran’ny fanjakana dia tapitra ny volana Jiona lasa teo. Ny isan’ireo ankizy 6 taona  ka hatramin’ny 59 volana miaritra ny tsy fanjarian-tsakafo avo dia avo tokoa dia nitombanana ho 14.332 tami’ny volana Oktobra.

Eo anatrehan’ity  mosary mahatsiravina ity, ny fianakaviam-be  ny “ Vicentienne” n’ity faritra ity dia tsy afaka ny hipetram-poana tsy hanao inon’inona. I Mopera Alexandre « provincial des Lazaristes », dia nanapa-kevitra ny hametra-patokisana amin’ny «commission de la famille Vicentienne » ( ireo mopera «lazaristes », pretra diosezianina, ireo masera tsara fanahy mpitaiza,ny AIC, AMM, « conférences Vincentiennes », ireo mpanolo-tena an-tsitra-po kristianina,mazava ho azy fa ao koa ireo protestanta ) amin’ny fampiasana ireo fanomezana voaray satria fantany fa ny fitambarana na firaisana no hery. Ny anjara asan’ity komisionina ity dia mametra-petraka ny paik’ady mahomby indrindra amin’ny ady atao amin’ny mosary. Arak’araka ny fanomezana azo no hitsongaina ny toerana alehany;  ny fanampiana izay homena dia vinavinaina na tombanana ,tahaka izany koa ny fitondrana ireo fanomezana samy hafa ireo ( sakafo, rano , vola, amben-javatra fivolena , sns ) ho any amin’ireo niharan-doza.

Etsy an-daniny dia efa niofanina ireo vondrona kelin’ny pretra telo sy masera tsara fanahy mpitaiza telo mba handrindra ny fanampiana eo an-tanàna.Ny asa aman-draharaha ataondreo dia mikasika aok’izany momban’ny fampihetsehana ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviam-ben’ny «  Vincentiennes » mba hitsidika isam-baravaran’ny paroasy izay voakasika mba ahafantarana ny zava-misy eny an-toerana ary manao fanadihadihana iray.

« Nohon’ny ezaka nataon’ny fianakaviam-ben’ny «  Vincentienne » eo an-tanàna dia haingana ny nanangonanay loharanom-baovao eny amin’ny toerana tsirairay. Izahay dia nampahafantarina momban’ny isan’nireo tra-boina sy ny isan’ireo fianakviana niharan-doza. Ny toerana tsirairay dia efa nambara anay avokoa amin’ny fomba ahoana ny vondron’olona an-toerana no afaka manomboka amin’ny fanampiana; Ohatra : Vary firy kilao no ilaina isakin’ny fianakaviana na isak’olona. Noho izany izahay dia tapa-kevitra nividy vary fotsy amin’ny gony milanja 50kilao miisa 53taonina. Izahay dia nitoroana hevitra mba hamondro fiara-kodia fitehirazan-drano toy izay hanome vola hividianana rano isam-pianakaviana.Mandraka ankehitriny dia mandeha tsara ny zava-drehetra», nampitain’I Mopera Pierrot Martin Rakotoarison,CM.

« Nefa izy dia nanoratra : Araka ny falalana nazonay , izany dia tsy ho ampy na eo aza ny habetsahan’ny vary izay efa noraisana. Mbola mitady bebe kokoa izahay satria ity mosary dia mety mbola aharitra hatrany amin’ny volana Janoary taona 2021».

Mba hanohanana ny asan’ny fianakaviam-be «  Vincentienne »  ho an’I Madagasikara ao anatin’ny ady amin’ny mosary, ianareo dia afaka manome fanomezana amin’ny kaonty manaraka etsy ambany :

Anaran’ny kaonty : ECAR VISITERU DE LA MISSION

IBAN : MG46 0000 5000 1736 1120 1016 017

Anaran’ny Banky : BNI MADAGASIKARA

Code SWIFT BIC : CLMDMGMG

Adresse : ECAR VISITEUR DE LA MISSION,

                B.P : 111 ,

                614 : TOLAGNARO,

                MADAGASIKARA

NB : Ny tatitra sy ireo sary mirakitra  ny mosary any atsimon’I Madagasikara dia nalain’ny mpandraharaham-paritrin’ ny ONN eto Androy sy mopera Pierrot Martin RAKOTOARISON avy ao Fort Daupin

Marie-Thérèse Razafindravaohin.

 

 

10 TAONAN’NY  TETIK’ASA  TSIRY : 

FAMPALALANA  NY  VOLA  NIDITRA  SY  NY   VOLA NIVOAKA   ARY   NY   FOMBA  FAHITANA  NY FIPETRAKIN’NY TETIK’ASA

Rehefa nanomboka tamin’ny fanofanana ny mpampianatra ny TETIK’ASA TSIRY  tamin’ny fararano (maintany)2010 dia tsy nisy olona mba nanana heritreritra na dia kely aza amin’ny haleben’ny fahombiazany, sy ny  faharetan’ny fandaharan—draharaha maharitra. Ny fahavaratra ( asara ) 2020 dia olon-dehibe miisa 5173 (AFID ) nandray anjara tao amin’ny anatin’ny 11 toerana tsinjo (AFID) sy ankizy miisa 2180 (ASAMA) tao anatin’ny toerana tsinjo 7 ka anisan’izany ilay 1283 ankizy vavy.

 

 

10 Jahre Projekt Tsiry.docx
Microsoft Word-Dokument [1.4 MB]

 

 

IREO VAOVAO  AO AMIN’NY TRANO FITAIZANA ANKIFY

 

Nandritrin’ny fotoana ela be dia nisy fandaharan-draharaha hanorenana trano kely ao amin’ny fanan-tanindreo hoan’ny ankizy lahy efa lehibe ao amin’ny foibem-pitaizana ankizy. Ity trano bongo kely tsotra vita amin’ny hazo ity dia tsy inona fa vahaolana vonjy maika ihany. Ankehitriny dia manana alàlana amin’ny trano vato vaovao noho ny fanomezan’ny malala tanana Alemanina ary vato voalohany dia efa napetraka. Raha afaka kelikely ireo ankizy lahy lehibe izay mbola mandeha an-tsekoly ireo dia hisitraka ny elanelan-dohaviny manoka izy ireo,toerana izay ahafahany mianantra tsisy manankorontana nefa tsy maintsy mitandro ny filaminana izay raisin’ny talen-tsekoly an-tanana mandrakariva ny andraikitra main’izany ao amin’ny trano fitaizana ankizy ary koa ny ankizy lahy kely dia hanana elanelan-dohavy bebe kokoa sady afaka milalao ampilaminana sy mianatra.

ROSE  DE  LIMA  RAMANANKAVANA FILOHA IRAISAM-PIRENAN’NY  AIC

I Rose de Lima Ramanankavana dia iray amin’ireo mpanorina ny AIC Madagasikara tamin’ny taona 1988 izay lany voafidy ho filoha iraisam-pirenena ny AIC  tamin’ny volana martsa taona  2020, tambazotra iray izay manana tsara an-tsitra-po miisa 100 000 ao anatin’ny Firenena 55. I Rose dia manana  trahakefa iraisam-pirenena tanatin’ny taona maro eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena sy nitana anjara andraikitra isan-karazany ary ity fifidianana ity dia mojoro ho vavolombelon’ny toetra maha mpitondra mihavaka azy, torak’izany koa ny fahaiza-manaony sy ny fikihirazany fatratra amin’ny asany ho an’ireo olona tena mahantra eto Madagasikara, ay Afrika sy any ankoatran’izao tontolo izao

I Nirisoa Hasindaza Rakotovao dia mpilatsaka an-tsitra-po Malagasy hafa izay mazava hoa azy fa lany voafidy ho mpanolo-tsaina iraisam-pirenena sady  nisalorana anaram-pandraharahan’ny kontinanta Afrika.

Ny fifidianana dia tokony natao nandritrin’ny  fivoriam-be iraisam-pirenen’ny AIC tany Bogota any Colombie nefa dia tsy maintsy nifoanana izany fisehoan-javatra izany tanatin’ny fe-potoana fohy kely noho ny antony valan’aretina coronavirus hany ka dia nontanterahina tamin’ny alàlan’ny fifidianana elektronika izany. Ny voalohan’ny fivoriam-be vaovao momban’ny fanapahana toro –hevitra iraisam-pirenena dia mazava hoa azy fa ho tontosaina an-tariby amin’ny alàlan’ny  fifampidinihana mifankahita tava mifanarakaraka.

Fiarabana no atolotra ho an’ i Rose sy Nirisoa amin’ny asa  fatratra izay vitandreo anatin’izao foaton-tsarotra izao.