Ny  Rivo-Doza Batsirai

Niampy iray indray mandeha ny loza aman-antambo mihantra voa-janahary namely an’i Madagasikara izay vao miely  manerana ny haino aman-jery. Tanatin’ity rivo-doza Batsirai indray mitoraka ity  dia nanao làlana fandringanana nanomboka tany amin’ny morontsiraka Atsimo-Antsinanana ka hatrany amin’ny morontsirak’i Mozambika izy sy namakivaky ireo toerana avo tany Atsimo ary noravainy indrindra tamin’izany ny tanan-dehiben’i Mananjary,Manakara, Farafangana, Fort Dauphin ary  Fianarantsoa ; torak’izany ihany koa ireo tanàna kely maro any ambanivohitra izay efa tsy voatanisa intsony ( Jereo ny tatitra amin’ny pejy mipetaka). Roa herin’andro talohan’izay ny rivo-doza Anna dia efa niteraka ireo fihotsahan’ny tany sy ny tondran-drano tany Antananarivo  Renivohitra izay namohizana ain’olona miisa dima-polo teo ho eo. Amin’ity indray mitoraka ity indray  dia mbola ireny tranon’ ireo mahantra izay tsotra tsy mafy orina  ireny mihintsy no tena simba kanefa na izany aza dia ao ihany koa ireo sekoly sy ireo fiangonana. Koa satria ny ankamaroan’ny vondrona mpikambana  ao amin’ny AIC sy ireo trano fitaizana ankizy dia samy mipetraka any amin’ny faritra nandalovan’ny rivo-doza avokoa noho izany izahay dia afaka manome fanampiana avy hatrany ary afaka mahalala fa tonga soaman-tsara an-toerana ilay fanampiana. Etsy andaniny anefa dia mifanohitra amin’izany  ny fanampiana avy amin’ny fanjakana izay somary taraiky kely eo amin’ny famatsiana rano fisotro madio sy ny sakafo. Ny famerenena ny herin’aratra sy ny rano fisotro madio amin’ny laoniny dia mbola ilàna fotoana maromaro ka izany no mahatonga ny fifandraisana ho sarotra. Izahay dia mbola tsy nahazo vaovao mikasika ny Ankany Avotra kanefa ny any Atsimo dia tsy nitondra takaitra sady ny trano fitaizana ankizy any dia mafy orina.

 

Haintrano  tao  Farafangana

Fisaorana lehibe no atolotra ho an’ireo mpilatsaka an-tsitra-pon’ny AIC eto Madagasikara izay nihetsiketsika tamin’ny fanotronana ireo olona tratrin’ny hain-trano goavana tao an-tampon-tanan’i Farafangana ity volana Oktobra taona 2021 ity. Ny hain-trano dia namela olona tsy manan-kialofana akaikin’ny 3 800 olona, ireo mpanolon-tena an-tsitra-po indrindra no nanome sakafo , lamba fitafy azy ireo ary nametraka azy ireo amin’ny trano-ponena vonjimaika vita tamin’ireo takela-by vao avy noraofina.

 

MOSARY ANY AMIN’NY TAPANY ATSIMON’I MADAGASIKARA

Ny mosary any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara izay noho ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tsy dia tsikaritrin’ny lafivalon’izao tontolo izao loatra, nefa nampiharam-boina teo amin’ny ankizy sy ny be antitra. Izany dia manery ny mpamboly hivarotra ny tanin’izy reo rehefa avy nandany /nihinana ny masom-boly etsy andaniny dia maro be ireo biby fiompy  matin’ny hetaheta. Ireo tao izay nanantena ny ahita asa dia nifindran-toerana nian’avaratra,ireo tena osa indrindra dia mialokaloka anilan’ireo masera tsara fanahy mpihantra olona izay mitoby eo antonkon-tany ny tranon’ny mofrera sady mba misitraka kely izay ilaina indrindra. Ireo ankizy tsy manana Ray aman-dReny dia noentina tany amin’ny trano fitaizana zaza kambotin’ny AIC. Ankehitriny kosa, rehefa mandao ny Ankany Avotra ireo tanora sasany handrato fiofanana na fianarana dia ankizy mihoatran’ny 60, anatin’izany ireo tena zandriny indrindra no tonga monina ao indray. Noho izany sy noho ny antony fiakaran’ny vidim-bary dia maniry sady manantena izahay ny hampitombo ny fanapiana ara-bola isam-bolana ary izahay dia miandrandra fanohanana avy aminan’ireo mpanomenay

  AMIN’NY FOTOANAN’NY CORONA

 

 

Amin’ny fotoana nitrangan’ny Corona izay tsy nisian’ny fisakafoanana an-tsekoly intsony sy tsy nampidiran’ireo olona tsy manan-kasa matotra vola isan-taona ;  ny AIC dia  nizara savony sy sakafo ho an’ireo fianakaviana anatin’ny filàna izany.

Tena ravo izahay fa nafaka natao talohan’ny  Noely ihany ny  fanohanana ara-bola izay tsy amin’ny fisokafan’ny fahandroan-tsakafo an-tsekoly indray ihany fa ao ihany koa ireo fianakaviana maro be andala-pahasahiranana, tsombinina manokana amin’izany ny Reny tsy manam-bady miaraka amin’ireo zanany.

Hisaoranay amin’izany ireo mpanome vola anay ary mirary Noely masina sy ampilaminana ho azy ireo izahay ary koa mirary fiandoam-piara-miasa feno fanantenana ho amin’ny taom-baovao.

Ny AIC Madagasikara, ireo mpanolon-tena an-tsitra-po  sy ireo rehetra andefasana