<



Irak'i MD Vincent de Paul - AIC Madagascar
 

IZA  MOA  IZAHAY

 

Ireo mpanolon-tena an-tditra-po ny AIC eto Madagasikara  dia mamaly ny zavatra ilain’ireo olona mihoatran’ny 6000 izay miaritra fanaintainan’ny fahantrana, ary ny fanilikiliana mahazoa azy ireo fa indrindra ny vehivavy sy ny ankizy ary ny fianakaviana. Ny asandreo dia  mifantoka tanteraka  amin’ny fanoratana anaran’ireo zaza vao teraka, fampandehanana an-tsekoly, ny sakafo fivelomana ary ny fampianarana ireo ankizy izay tena  tsy misy azo ivalozana mihitsy, torak’izany ny fahazoana fiofanana,ny fianarana mamaky teny sy manoratra, ny fahasalamana, fanosehana arak’asa  hampidiram-bola ho an’ireo Reny izay matetika amin’izy ireny no maty vady na nisara-bady. Ny ankapoben’ireto mpahazo tombontsoa ireto dia mivelona  anatin’ny fahantrana ary tsy mba mahazo fafinaretana amin’ireo zony.Izahay dia mampirisika azy ireo amin’ny sehatrin’ny fampandrosoana ary mamela azy ireo ahaleo tena tanteraka  amin’ireo tetik’asa izay kasainy hatao. Tetik’asa izay manaja ny fomban-dRazany sy ny kolontsainy mba hanampy azy ireo  amin’ny famahana ny olana goavana izay sedrainy. Ireo Tetik’asan’ny AIC ireo dia misy fiantraikany mafy torak’izany amin’ny famokarana ampy an’ireo zavatra ilaina  mba ahafahanamiaina sy mahatsapa ny  fisiana eo amin’ny  fandrosoan’ny vondron’olona miara-mitoetra, indrindra eo amin’ny lafiny fiara-miasa miaraka amin’ireo avy eto an-toerana sy fandaharandraharaha iraisam-pirenena . Ohatra :

Anisan’izany ny ady atao ami’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy madinika, ny aretina azo avy amin’ny kaikitrin’ny moka sy ny tiberkilaozy, ny fandaharan’asa momban’ny vakisina ary koa ny fandaharan’asa momban’ny fampinonoan’ny Reny vao teraka ary ny fiarovana ireo arena voa-Janahary.

 

 

Ireo tetik’asa izay manova ny fiainan’olona

Ny anto-panekenay

  • Fankatsarana ny lafiny ara-pahasalamana.
  • Ny  ady amin’ny  fanoherana ny covid , ny aretina azo avy amin’ny kaikitrin’ny moka, ny tiberkilaozy , ny SIDA.
  • Ny fampiroboroboana ny fampianarana ho an’ny rehetra
  • Ny ady atao amin’ny fanoherana ny herisetra atao amin’ny vehivavy ary tsy fanajana ny zom-behivavy eo anivon’ny fiaraha-monina.
  • Ny fiarovana ny zo maha olom-belona manerana izao tontolo izao

 

Ireo tetik’asanay  ho an’ireo vehivavy

Fa indrindra ireo  vehivavy maty vady sy ireo vehivavy tsy manam-bady

 

  •  Koperativa momban’ny fambolena
  • Fampianarana mamaky teny sy manoratra
  • Fanofanana arak’asa
  • Fampianarana momban’ny fahasalamana, fiarovana ny aretina ary ny fitandroana ny fahadiovanana
  • Trano fanaovan-draharaha momban’ny asa tànana
  • Trano-ponenana
  • Fampindramam-bola madinika
  • Koperativan’ny fiantohana ara-pahasalamana
  • Ambulansa

Ireo tetik’asanay  ho an’ireo ankizy

Fa indrindra ho an’ireo ankizy kamboty sy ireo ankizy mirenireny an-dalam-be

  • Ampandehanana an-tsekoly ny ankizy alohan’ny fotoana
  • Fampiroboroboana ny fomba ho entina manakaiky ny sekoly
  • Fampisakafoanana an-tsekoly
  • Trano fipetrahana ho an’ireo ankizy
  • Fanampiana an-tsekoly
  • Sakafo omena an’ireo zazakely sy ireo ankizy madinika
  • Fanamboarana kopia nahaterahana ho an’ny ankizy
  • Fampirisahana ny fampandehana an-tsekoly sy fanohanana ireo ankizy manana fahasembanana
  • Fitsaboana ara-pahasalamana,fanaovana vaksiny, fampianarana manokana momban’ny fahasalamana

Ny manosika anay amin’ity zavatra dia ny fahitana ireo filàn’ireo olona izay mifanena aminay isan’andro.

 

Ampinareo izahay mba ahantanteraka miaraka amindreo ireo tetik’asa izay ho entina handresy ny hasarotam-piainana sy ny fanilikiliana.