MANAO  AHOANA   NY   FIASANAY :

 

Mihaino, manaiky ary ny fandraisana anjara

Manaiky sy manangana fifandraisana

Ireo mpaolon-tena an-tsitra-pon’ny AIC dia mihaino an’ireo olona tena marefo sy manampy azy ireo mba  handray anjara anatin’ireo tetik’asa izay hitondra fivoharana amin’ny fiainandreo.

Ny asanay dia mifantoka tanteraka  amin’ny fahalàlana marina ireo olona mpahazo tombontsoa izay tena mifanerasera akaiky aminay isan’andro.

 


NY   TANTARANAY

Irak’i MD Vincent  de Paul – AIC  Madasikara dia naorin’ireo mpilatsaka an-tsitra- po 5 miara –miasa tamin’ireo masera mpihantra olona teto Manakara ( Diosezin’ny Farafangana) tamin’ny taona 1988 . Ny tanjona tiandreo ahatongavana dia ny ahitana valiny amin’ny antony mahatonga ny fiakaran’ny isan’ireo ankizy mirenireny eny an-dalam-be ary koa hanomboana ny zavatra efa niarà – nanapaka  ao anatin’ny fehin-kevitra ara-panahin’ireo masera mpihantra olona izay niangavy anay mba hiasa ho an’ireo tena mahantra indrindra ara-materialy, ara-pitondran-tena ary ara-panahy.

Ankehitriny izahay dia mihoatran’ny 150  mpilatsaka an-tsitra-po nalamina ao anatin’ny  vondrona 15 ( jereo ny sary ) izay mamaly  ny filan’ire olona miisa 6000 miferinaina ao anatin’ny fahantrana, ny ankabeazan’izany dia ireo  vehivavy sy ny ankizy.

KOLONTSAINA   MALAGASY

Satria ny kolontsaina Malagasy ohatrin’ny mifanaraka amin’ny kolontsainanay, izahay dia  nahatsapa nifandray amin’ny olombelona manan’aina rehetra amin’ny maha olona tsirairay ao  anatin’ny fianakavian’Andriamanitra iray sy mitovy.