Ny fambolena maharitra sy famatsian-drano fisotro madio

Vatsin’ny « Fondation Schmitz à Dusseldorf » sy « les Amis de l’AIC Madagascar » vola, ny tetik’asa Ste Louise Mahatsinjoriaka ho an’ny « fambolena maharitra sy famatsian-drano fisotro madio » dia efa natomboka nampandehanina tamin’ny voalohan’ny volana  Oktobra taona 2021 tao Manakara. Nanomboka tamin’izany dia trano kely 3 no namboarina ho an’ireo Reny tsy manana tranom-ponenana raikitra, tahak’izany koa ny làlana fidirana  ao anatin’ny tany fambolen’ny AIC  izay mirefy 2 hektara. Toy izany ihany koa ny fanomboana ny fanamboarana trano fitehirizam-bary sy fivelezam-bary.

Mitovy elanelana tamin’izany ihany, ireo vehivavy miisa 135 mitaiza irery ny zanany sy hita ao anatin’ny  fahasahiranana mafy ara-tsosialy sy ara-toekarena dia samy mandeha miasa avokoa. Rehefa voahofana sy notronon’ireo mpanolon-tena an-tsitra-pon’ny AIC sy ireo mana-pahaizana arak’asa momban’ny fambolena izy ireo dia nanomboka namboly fefin-java-maniry ary niasa nanazava tany. Rehefa azo atao dia hatomboka avy hatrany ny fambolena anana, vary sy ny voan-kazo ary mila maboly hazo, hanamboarana tranon’omby maromaro ho an’ny fiompiana, vovona fakana rano fivelomana, garaba sy lava-piringa ary trano fidiovana. Eo ampiandrasa ny fizakan-tena ara-toekarenan’ilay tetik’asa, ny tanjona farany ambony indrindra mihoatran’ny andavan’andro dia ny fahazoan’ireo vehivavy ireo anjaran-tsakafo vary isan’andro ho azy ireo sy ho an’ireo zanany ao antin’ny taona iray. Ny tanjona maharitra ho an’izy ireo izay mahatonga azy miasa mafy dia ny mba ahazoany vola miditra isan-taona izay ahafahany izy tenany ihany mampiridra ny kajiny izay manome fahafahana azy hanome sakafo mahavelona sy ara-pahasalamana ireo zanany ary ahafahany mandefa azy ireo an-tsekoly.

Ny tendron’ny Atsimo  indrindra dia mifanohitra tanteraka amin’ny Manakara izay tsy mbola voarahon’ny hain-tany, nefa kosa ny mponina ao dia miaina aok’izany amin’ny voka-dratsy aterakin’ny fiovaovan’ny toetr’andro miaraka amin’ny hafanana ambony dia ambony indrindra,ny rotsak’orona mahery vaika ary ireo rivo-doza. Kanefa na dia izany aza dia mbola tsy tara ny hanaovan-draharaha any. Ny tetik’asan’ny AIC dia tia hanaporofo fa ny fambolen-kazo,  ny fanovanovana ny voly ambolena izay mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro, ny fanamboarana vovona fakana rano fivelomana sy fomba fitaritana na fampidiran-drano atao ara-potoana dia afaka hamoronana fiovana mahomby. Ny iray amin’ireo tanjona maharitrin’ny tetik’asa dia ny ahatongavana ho fankan-tahaka iray, sy maso ivoho ny fampiofanana momban’ny fambolena mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro.

 

 

TRANO FITAIZANA ANKIZY : ANKANY AVOTRA

Nahorin’ireo mpilatsaka an-tsitra-po avy ao Tolagnaro tamin’ny taona 1995 io tetik’asa io ary dia nafindra tamin’ny trano vaovao tamin’ny taona 2011 izay novatsian’ireo namana mpihira koraly sy  ireo mpamatsy  tsy miankina Alemanina ara-bola. Ireo mpanolo-tena an-tsitra-po ireo dia miantoka ankizy an-dalam-be miisa 60 izay afaka nomeny alàlana mandeha an-tsekoly, anisan’izany ihany koa ireo  40 afaka mivelona ao. Ireo mpanolo-tena an-tsitra-po dia manao izay afany amin’ireo ankiziny, nefa mila fanampiana izy ireo : isan-taona dia tanora maro no mandao ny trano fitaizana ankizy aorian’ny fahavitan’ny taom-pianarana an-tsekoly ; ny ankabeazany dia miaraka amin’ny taratasy fanamarinana ny valim-panadinana tsara amin’ny fahavitany fianarana, ny sasany kosa dia tsisy.Ny vondron’olona anakiroa dia samy maniry ny hanoy ny fanotronana ireo mpanolo-tena an-tsitra-po ireo ary hanoana azy ireo anatin’ny sehatrin’ny fanofanana arak’asa na fianarana. Izy ireo dia miankina amin’ny fanomezana ambiny mba anakofana ireo vola lany. Indrindra ireo mpianatra fa indrindra indrindra amin’ny fotoanan’ny corona dia tena ilaina ny internety sy ny fitaovana ilaina antoniny mifandanja amin’izany ary miaraka amin’ny solon-tsaina ( ny tena ampiasana indrindra).

Tanjona kendrena : Fampianarana - fahasalamana

Toerana : Fort Dauphin / Tolagnaro

Faharetana : andalam-panaovana

Fampiasana ny fanomezana :  famatsiana ara-bola ho an’ny diploma na ny fanofanana arak’asa, manome fitaovana ny mpianatra sy trano ho an’ny internety sy ny solon-tsaina. Ny fanoloran-tena dia ilaina indrindra.

 

Ny Tetik’asaTsiry

Amin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny fianakavian’ny « Vincentienne » sy

« Caritas » ao anatin’ny Diosezin’ny Farafangana ,  ny tetik’asaTsiry dia manome maimaim-poana fiofanana sy ny fianarana mamaky teny sy manoratra ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe amin’ireo toerana tsy afaka misitraka tombon-tsoa sy any ambanivohitra, izay iarahany-miasa akaiky miaraka amin’ny vondron’olona an-toerana ary miaraka amin’ireo mpampianatra an-toerana izay voaofana miaraka tamin’ny tetik’asa. Hatramin’izao dia toerana tsinjo fanofanana miisa 12 no efa naorina ary mpandray anjara mihoatran’ny 650 no efa nahavita tanteraka ny fandaharan-draharaha.

  • Tanjona : Fampianarana ireo sahirana
  • Toerana: Diosezin’ny Farafangana
  • Halafavam-potoana: tsy voafetra
  • Ny vola ilaina : 12€ isam-bolana hoan’ny ankizy iray
  • Fomba ahoana no mpiasana ny volanareo : Ireo ankizy ireo dia mandray anjara amin’ny fandaharan-draharaha sy misitraka sakafo mafana isan’andro mba hampatsara ny toe-pahasalamany sy fahaizandreo mianatra. Izany dia mazava ho azy fa manakana azy hiala amin’ny fandehanana an-tsekoly mialoha mba tsy handehanany miasa na manao mahantra mangataka sakafo.

 

Findramam-bola madinika – Renim-bola

Mba hanomezana ho an’ ireo vehivavy ireo fahafahana rehetra mety ahazoany mamaly ny filàna rehetra ilainy amin’ny fiainany sy ho an’ireo zanany amin’ny alàlan’ny asa ara- toe-karena sy hampivelarana ireo fari-pahaizany ary mba handraisany anjara eo amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina  dia namorona Renim-bola mba ho entina manao fampindramam-bola madinika.

  • Tanjona : fampiroboroboana ireo vehivavy eo amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena maharitra
  • Toerana : Anosizato , Manakara ,  Fianarantsoa
  • Fe-petoana : anaty fotoana tsy voafetra
  • Famatsiam-bola ilaina : Fametrahana an-toerana Renim-bola mba ahafahana manao fampindramam-bola madinika.Ireo Fanomezana rehetra dia ho raisina an-kafaliana : fanomezana mahazo fankatoavina amin’ny fanjakana na vola.
  • Amin’ny fomba ahoana no ampiasana ny volananareo : Famoronana an-toerana Renim-bolam-panjakana ho entina manao fampindramam-bola madinik’in’i AIC mba hanoanana ireo vehivavyireo eo amin’ny asa ara-toe-karena tahaka ny fambolena , varotra madinika sy ny varotra an-tsinjarany amin’ny alàlan’ny fampindramam-bola madinika azo averina.

 

IREO  TETIK’ASANAY

 

Amin’ny fanohanana an’ity  tetik’asa ity dia ho  fantatrareo ny tsy fitoviana misy  anantin’ny fiainan’olona.

Fandaharam-pahasalamana iraisana

Ny fametrahana an-toerana ny fiantohan’ain’olona iraisana amin’ny aretina izay avy amin’ny fandrotsahana latsakemboka kely isam-bolana dia manome alalàna an’ireo Reny mahantra sy ny fianakaviany mba mahazo tombony  amin’ny fitsaboana ara-pahasalamana maimaim-poana sy fanafody maimaim-poana sady koa mamatsy fanampiana sy fanofanana ara- pahasalamana tsy tapaka hoan’ny vehivavy, ny tanora ary ny ankizy; ny fitandremana ara-pahasalamana sy ny fisakanana ny loza mialoha izay atolotr’ireo mpilatsaka an-tsitra-po ao amin’ny AIC izay voahofana manokana amin’ireto raharaha asaina atao ireto.

Asa atao : fitsaboana ara-pahasalamana

Toerana : Manakara

Tsisy fotoana voafetra

Amin’ny fanampiana ara-bola momban’ny fikarakarana ny mpitsabo ny marary dia ho raisina an-kafaliana izay fandraisana anjara rehetra.

Amin’ny fomba ahoana no ampiasana  ny volanareo : Hampidirana ireo vehivavy izay tsy afaka mandoa feno ny fandraisana anjara takina ary hamoronana tahirim-bola fitsaboana  aretina izay tena mandany vola be ohatran’ny oma-miadana.

Ny trano aloha

 

Ny AIC Manakara dia nanorina trano nentim-paharazana vita amin’ny alàlan’ny hazo sy ny ravin’ny katsaka ( feuille de ravinala) ho an’ireo Reny tsy manam-bady , maty vady na ny vehivavy nisaram-bady izay miaina miaraka amin’ireo zanany eny an-dalam-be na ambany sarety eny an-tsena. Tsy azonareo an-tsaina izany hoe  hafaliana fa manana trano iray, adiresy iray sy fanalahidy iray. Ny vehivavy dia afaka manana fahefana mianatra tao-zavatra ao amin’ny AIC sya afaka mandefa ireo zanany an-tsekoly. Efa MIsy trano 120 sahady no vita fa kanefa nihitatra ny flisitrin’ny fiandrasana.

 

Tanjona kendrena : trano fonenana

Toerana :  Manakara

Fe-potoana : an-dalam-panaovana

Volana ilaina : 120€ ho an’ny trano iray

Fampiasana ny fanomezana  : Fanamboarana sy fanomezana an-tanàna trano kely iray namboarina tamin’ny fomba nenti-mpaharazana ho an’ireo vehivavy sy tanora tsy manan-tranon-kialofana.