NY  MOMBAMOMBA   ANAY

 

Ny AIC die niforona tamin’ny alàlan’ny vondrona 14 izay mikarakara olona mihoatran’ny 6000 ao an-dRenivohitra sy any Atsimon’ny Firenena.

 

Ny tena zava-dehibe amin’ny asa ataony diia ny fanaovana kopia nahaterahan’ny ankizy sy ny tanora, fampiroboroboana ny fampandehanana an-tsekoly, fahazoana fivelomana ara-tsakafo sy ny fanabeazana ny ankizy tsy misy mpiraharaha, fampianarana mamaky teny sy manoratra, fitandremana ara-pahasalamana, fanotronana ar ak’asa ireo Reny tsy manam-bady izay miaina miaraka amin’ireo zanany anatin’ny fahantrana lehibe sady no tsy manan-jo. Izahay dia mamporisika sy manohana azy ireo miaraka  amin’ny fandaharandraharaham-pandrosoana sy famatsiana ara-bola.Satria  ireto tetik’asa ireto tsy nafarindreo vy any ivelany fa manaja kosa ny fomn-dRazana sy ny kolontsainy,izy ireo dia manan-danja amin’ny fandraisana anjara amin’ny  fampiroboroboana ireo vondron’olona izay tena tsy misy mpiraharaha ary fampandrosoana ireo vondron’olona miara-mitoetra. Ny AIC dia mazava hoa azy fa  mandray anjara amin’ireo  fandaharan’asa maneran-tany sy ara-panjakana amin’ny ady atao momban’ny tsy fanjarian-tsakafon’ny ankizy vao teraka, ny aretina azo avy amin’ny  kaikitrin’ny moka,ny SIDA sy ny tiberkilaozy, ny fandaharan’asa momban’ny fanaovana vakisina, tohana ho an’ireo Reny mampinono ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

 

 

NY  VINANAY :  MIARAKA  MANOHITRA  NY  FAHATRANA  SY IREO  ANTONY  MAHATONGA  AZY

 

Ny fototra niorenanay dia  ara-panahin’ireo masera mpihantra olona, ara-tsosialy ny Fiangonana katolika sy ny  fampiroboroboana ary ny fiarovana amin’ny zo maha-olom-belona sivily,politika,toe-karena, sosialy sy ny kolontsaina ary koa ny zo eo amin’ny fampandrosoana.

  • Tiavo ny mahantra amin’ny alàlan’ny hantsembohan’ny handrintsika.
  • Izy ireo dia fanamiantsika sady no tompontsika
  • Raha mijery ny ilan’ny lafiny medaly dia mahita an’i Jesosy Kristy.

 

Vincent de Paul